Hatolotra ny fampanoavana anio ireo jiolahy roa tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana tao Tsararano Maevatanana. Hita tao anatin’ny findain’ilay mpandraharaha fa izy roa lahy no namono azy rehefa nokaramaina 10 tapitrisa Ar.
Olona roa hafa indray voasambotra ka hiakatra fampanoavana anio, momba ny vono olona nahatsiravina tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Berivotra 5/5, distrikan’ i Maevatanana. Nitohy ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandary miasa ao an-toerana taorian’ny nihazonana ireo dimy lahy nandray anjara tamin’ny famonoana ilay mpandraharaha ny 6 janoary 2024 teo. Rehefa natao « réquisition » ny findain’io mpandraharaha nisy namono io dia voaporofo fa ireto roa lahy ireto dia anisany nandray anjara mivantana tamin’ny fahafatesany. Niaiky ihany koa ny iray tamin’ireo roa lahy fa nanapaka ny tendan’io mpandraharaha io. Nokaramaina vola 10 tapitrisa Ar izy ireo nanao io asa ratsy io. Mpandraharaha iray hafa ao an-toerana ihany no nanarama azy ireo. Atidoha nampaniraka ilay famonoana ho faty. Nokapakapain’ireo tsy matahotody famaky io mpandraharaha io. Notaperina ny ainy ary nariana tanaty kirihitra taorian’izay. Tsiahivina, voasambotra ny tapaky ny volana janoary teo ireo dimy lahy efa notanana am-ponja amin’izao fotoana. Niampy roa hafa indray ireo tratra ka andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.