Ankazomiriotra : notafihin’ny olona ny biraon’ny zandary

Raikitra ny savorovoro niafara tamin’ny fanafihan’ireo andian’olona ny tobin’ny zandary ao amin’ny borigadin’ Anka­zomiriotra, ny sabotsy atoandro teo. Fiara iray sy moto fito niaraka tamin’ireo antontan-taratasy samihafa tao amin’ny birao no nodoran’ny olona. Nisy tamin’ireo fitaovam-piadiana koa no voalaza fa nopotehin’ny olona noho ny hatezeran’izy ireo. Raha ny fijoroana vavolombelona na­taon’i Ziona Alberson Toavim­bahoaka, zanak’i Mandoto, misy lehilahy iray notifirin’ny zandary tao Ivory, kaominin’i Vinany, distrikan’i Mandoto, ny sabotsy maraina tamin’ny 5 ora. Nilaza anefa ireo mponina fa tsy jiolahy io lehilahy notifirin’ny zandary io, araka ny tatitra nampitainy hatrany. Niezaka nangataka ilay lehilahy ny fokonolona saingy tsy nomen’ny zandary. Nentin-katezerana ireo andian’olona nanoloana izany tifitra nihatra tamin’ity lehilahy ity ka nirodorodo nihazo ny biraon’ny zandary.

Nirefotra ny lakrimozena…
Nodoran’izy ireo ny fiara sy ny moto an’ny zandary. Niditra an-keriny tao an-trano koa ireo andian’olona ka nandravarava ny entana sady namotika ny fitaovana rehetra. Lasa nandositra avy hatrany kosa ireo zandary enina tao amin’ny birao. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny zandary avy any Betafo sy Antsirabe, nanampy tosika amin’ny fandravana ireo andian’olona maro. Nisy fandefasana grenady lakrimozena nanaparitahana ireo olona marobe.
Efa niverina amin’ny laonina, araka izany, ny filaminana ao Ankazomiriotra. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny aina nafoy na teo amin’ny mpitandro filaminana na teo amin’ireo andian’olona mpikomy. Efa nidina tany an-toerana ireo tomponandraiki-panjakana notarihin’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, niaraka ta­min’ny kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria Antana­narivo nanao ny fandaminana sy ny fifampiresahana. Voa­lazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa iraka avy amin’ny fitsarana no nataon’ireo zandary nandeha nisambotra azy saingy nanohitra io lehilahy io ka voatifitra.

J.C

Partager sur: