TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fampirantiana momba an-dRatsimandrava. Afaka mitsidika izany ao amin’ny Trano Sary Ambohidahy, amin’ity herinandro ity, ireo liana. Ankoatra izay, hisy ny famelabelaran-kevitra sy fijoroana vavolombelona hataon’ny jeneraly Ramaka­velo sy Ratsimandrava Danielle, zanaky Ratsiman­drava Richard. Hotohizan-dRakoto­naivo Julien, akademisianina sy mpandalina tantara ny sehatra avy eo.

Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry omaly i Narindra, mpitarika soradihy sady mpanentana amin’ireny lanonana isan-karazany ireny. Tao amin’ny Orikesitra Jim & Co no tena nahafantarana azy. Nampianatra dihy ihany koa izy, ary maro ireo nahafantatra azy teo amin’ity sehatra ity.

Partager sur: