Varotra ivelany: hanohana an’i Madagasikara ny fandaharanasa CIR

Vonona hanampy an’i Ma­da­gasikara eo amin’ny seha-pihariana lavanila ny fandaharanasa “cadre integré renforcé (CIR)” toy ny natao tany amin’ ny nosy Comores izay nanaovana fandinihana manokana sy matihanina. Nentin’ny mpan­drindra eto anivon’ny firenena ny fandaharanasa CIR, Paulin Zambelongo, teo amin’ireo mpikambana ana­tin’ny komity mpitantana nasionalin’ny fandaharanasa ny vokatry ny fanohanana nataon’ny tetikasa teto Madagasikara, nandritra ny dingana voalohany sy faharoa, ny alakamisy teo, tetsy Ambohidahy. Voatonona ao anatin’izany ny fihaonana tamin’ireo lohalaharana amin’ ny famokarana lavanila toa an’i Madagasikara, Ouganda, Nouvelle Papouasie mandritra ny fihaonambe faha-13 ho an’ny minisitera eo anivon’ny fikambanana maneran-tany momba ny varotra (OMC), ny 26 ka hatramin’ny 29 Febroary, any Abu Dhabi, renivohitry ny Emirats Arabo mitambatra. Nilaza ny mpandrindra ny fandaharanasa fa hohatsaraina ny fanohanana mandritra ny dingana anelanelany mialoha ny hidiran’ny CIR amin’ny dingana fahatelo. Tsia­hivina fa nanohana ny famatsiam-bola sy ny fametrahana ny vavahadin-torohay fampahalalana ara-barotra hanampiana ireo mpandraharaha eo amin’ny asan’izy ireo ny fandaharanasa CIR. Voala­za ao anatin’izany ny fanohanany ny firenena malagasy amin’ny adisisika hiarovana ny vidin’ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena toy ny nataony ho an’ny seha-pihariana dipoavatra mena (baie rose) ao Bongolava.

Henintsoa H.

Partager sur: