Efa misy ireo olona voasambotra atao famotorana momba ny fanafihana biraon’ny zandary borigadin’Ankazomiriotra, omaly. “Maromaro ireo voasambotra atao famotorana ary misy ireo mbola karohina”, hoy ny fanazavan’ ny zandary ao Mandoto. Kila tsy nisy noraisina ny fiara iray niaraka tamin’ny moto fito nodoran’ny fokonolona. Lehilahy voalaza fa notifirin’ny zandary tao Ivory, kaominin’i Vinany, distrikan’i Mandoto, ny sabotsy maraina tamin’ny 5 ora no niandohan’ny savorovoro. Nilaza anefa ireo mponina fa tsy jiolahy io lehilahy notifirin’ny zandary io, araka ny tatitr’i Ziona Alberson Toavimbahoaka, zanak’i Mandoto. Niezaka nangataka ilay lehilahy ny fokonolona saingy tsy nomen’ny zandary. Nanomboka teo, nirohotra nihazo ny biraon’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona ka nandoro ireo fitaovam-pitaterana ireo sy nanimba ny fitaovam-piadiana sasantsasany. Tetsy ankilany, nanampy ireo mpitandro filaminana lasibatra ireo hifehy ny fokonolona ny zandary avy ao Betafo sy Antsirabe tamin’io andro io ihany. Naparitaka tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ireo mpikomy. Niverina amin’ny laoniny ny filaminana ao an-toerana taorian’io. Karohina ireo tafaporitsaka voasaringotra amin’ity raharaha ity.
Tsiferana R.