FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ireo kaominina 15 mandrafitra ny distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’i Mania, ny loholona Rasolondratsimba Raymond na Ray­mond Nala, ny farany herinandro teo. Novaliny ny hetaheta any ifotony: simenitra 1 500 lasaka, fanitso 1 700, loko 1,5 taonina, dabilio 530, jiro 25 000, vola 13 tapitrisa Ar, masininina fihavam-bary folo… Ireo no santionan’izay nekena fa hatolotra.

Nilaza ho vonona hiatrika ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly ny mpikatroky ny antoko TGV eny amin’ny distrikan’Antananarivo Atsi­mon­drano, izay nanomboka ny fidinana ifotony teny Bongatsara, afakomaly. Vonona hiara-miasa amin’ ny filoha koa ry zareo amin’ny fanatanterahana ny vinam-pampandrosoana.

Nidina ifotony teny amin’ny kaominina Am­pitatafika ny fitaleavana misahana ny Fana­pariahana sy fandinihana ary fanavaozana lalàna (DERL) eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny faran’ny herinandro teo. Ireo lalàna vaovao sy ireo nasiana fanovana no nampahafantarina tamin’izany.

Ho fanatsarana ny fiaraha-miasa, nihaona tamin-dRafaravavitafika Rasata, minisitry ny Raharaham-bahiny, ny tomponandraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana maraokanina sy algerianina ary ny avy ao Seychelles, nandritra ny fivoriambe faha-37 -n’ny Vondrona Afrikanina.

Partager sur: