Natolotry ny fikambanana Rotary Club Analamanga (RCA) Vovonana ny fikambanana Vonona avy any Manalalondo ny jiro manazava arabe miisa 33, ny sabotsy 17 febroary teo. Nanatanteraka izany ny filohan’ny RCA Vovonana, Randrianarisoa Malalatiana, sy ireo mpiray fikambanana aminy. Hotsinjaraina any amin’ny fokontany miisa 11, ao anatin’ny kaominina Malalalondo, distrika Arivonimamo, ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo. Nambarany fa tolo-tanana fanindroany ho an’ny fikambanana Vonona ity natao ity, satria efa nanolotra jiro toy izao ihany koa ny Rotary RCA Vovonana ho an’ny toeram-pitsaboana CSB II Manalalondo, ny aogositra 2023.
Nankasitraka ny fanampiana ny fikambanana Vonona, nilazan’ny filohany, Rakotoarisoa Njaka, fa tena mifanandrify amin’ny laharam-pahamehan’izy ireo izao fanomezana jiro izao. Tena manjaka ny tsy fandriampahalemana any an-toerana satria maizina ny tanàna. Fangatahana avy amin’ny fokonolona ny hanazavana ny tanàna.
Ankoatra izany, anisan’ny olana tena ianjadian’ny mponina ny haratsian’ny lalana. Hatao ao anatin’ny adiny 9 ny lalana 39 km, eo amin’ny sampanana Arivonimamo RN1, hatrany Manalalondo.
Njaka A.