Faritra Itasy : mpampianatry ny oniversite 150 nofanina

Tafiditra ao anatin’ny ezaka 100 andron’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra eny amin’ny oniversite.
Nisantarana izany ny fanofanana ireo mpampianatra miisa 150 ao amin’ny faritra Itasy. Hitohy ny 24 febroary izao ny fiofanana ary faranana any Soavinandriana, ny 26 febroary.
Tanjona ny hanatanteraka ny Politika ankapoben’ny fanjakana dia ny fanomezana fampianarana tsara kalitao ho an’ny rehetra miainga any amin’ny garabola hatreny amin’ny oniversite. Mila havaozina ny fomba fampianarana mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetrandro.
Hiitatra amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy ny fampiofanana ny mpampianatra eny anivon’ny anjerimanontolo sy ny IST mba hitovy avokoa ny lenta fampitana fahaizana sy hanaraka ny lamina apetraka.
Nankasitraka ny fisian’ny fiofanana tahaka izao ireo mpampianatra hisian’ny ainga vao indray eo amin’ny fanatanterahana ny asa.

Tatiana A

Partager sur: