Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny mpanendaka raindahiny iray teny 67 ha, ny alin’ny alatsinainy 19 febroary teo. Efa naharay tatitra momba azy ny polisin’ny CSP7. Mitaraina vokatry ny asa ratsiny avokoa ny mponina eny amin’ny manodidina. Tsy nitazam-potsiny, namolavola paikady ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tokoa izy saingy nanao tongotra an-katoka rehefa nasain’ny polisy nijanona. Raikitra ny fifanenjehana. Nitondra antsilava ilay olon-dratsy, nikasa hamely ny
polisy hisambotra azy. Vokany, maty voatifitra io mpanendaka io. Latsaka teny aminy ny fitaoavam-piadiana fampiasany manao ny asa fanendahana. Tsiahivina, olon-dratsy telo sahady no lavon’ny mpitandro filaminana teo 67 ha sy Andravoahangy tao anatin’ny roa herinandro monja.
Nitam-piadiana avokoa izy ireo. Nikasa hanafika tsena
teny Andravoahangy ny jiolahy iray lavo nandritra ny fanenjehan’ny polisy azy, ny alatsinainy 12 febroary teo. Tafaporitsaka ny naman’io jiolahy io. Latsaka nandritra ny fifandonana ny basy poleta fampiasan’izy ireo. Niezaka nanara-dia ny mpitandro filaminana saingy nandositra anaty elakela-trano ireo jiolahy roa lahy namany ka tsy hita popoka.
Tsiferana R.