Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fampiasana ny Diary fanarahan-draharaha eny anivon’ny fitsarana, Anosy. Araka ny fanazavanan’ny minisitry ny Fitsarana, ezahina ny hanatsara ny fandraisana ireo manan-draharaha eo amin’ny fitsarana. Fantatra, ohatra, ny andro hakana ny didim-pitsarana, ny fanemorana… Haparitaka any Antsirabe sy Toamasina izany ao anatin’ny zato andro.
Ny fametrahana ny komity Loharano manerana ny fokontany eto Madagasikara no anisan’ny lahasan’ny minisiteran’ny Atitany ao anatin’ny 100 andro.Vovonana iaraha-mitantana, ahitana mpikambana sivy farafahakeliny ka ny sefo fokontany no mitarika azy. Anisan’ny sahaniny ny fanadihadiana ny zava-misy eny ifotony sy ny fanolorana vahaolana…
Niakatra fitsarana omaly, teny Anosy, Rajaonah Mbola. Raha tsiahivina, raharaha fitsoahana ny fonja no nitazomana azy vonjimaika, raha efa tokony hivoaka, ny 14 febroary teo, izy. Ankoatra izay, nolavin’ny fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpisolovava azy. Hiverina eny an-toerana, ny 27 febroary ho avy izao, ity raharaha ity.
Miroso amin’ny fiofanana arakasa ny vehivavy voafonja eny Antanimora. Ho fanomanana azy ireo amin’ny fiverenany eny anivon’ny fiarahamonina izany. Nisy ny fanoloran-dRandriamanantenasoa Landy Mbolatiana, minisitry ny Fitsarana, fitaovana samihafa, omaly, hanatontosana izany.