Tontosa omaly, tetsy Antaninareina, ny atrikasa fanavaozana ny paikady sy drafitrasa nasionaly mahakasika ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Manamarika dingana lehibe amin’ny fandraisan’ny firenena anjara amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa maneran-tany mahakasika ny karazan-javamananaina, Kunming-Montreal, izay nankatoavina nandritra ny fivoriamben’ny Firenena mikambana momba ny karazan-javamananaina, ny volana desambra 2022, izany. Natao hampahafantarana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra mahakasika ny fanavaozana ny paikady sy ny drafitrasa ny atrikasa. Indrindra ny mahakasika ny adidy sy andraikitry ny mpisehatra rehetra amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika karazan-javamananaina. Tanjona ny hisintonana ny sain’ny rehetra amin’ny fiarovana azy ireny, ny fampahafantarana ny zava-misy izay ilana fanavaozana. Ao anatin’izany ny fizarana ny lalana izorana manandrify amin’izany, ny fandraisana anjaran’ny rehetra, ny fijerena miaraka ny zavatra ilaina ary ny vokatra andrasana. Eo ihany koa ny fizarana momba ireo vondrona hatsangana atao ifanakalozana mahakasika ny karazan-javamananaina. Noho izany, hamondrona ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny fanatanterahana ny fifanarahana iraisam-pirenena ity drafitrasa ity.
Henintsoa H.