Mandeha ny fanohizana ny asa ao anatin’ny tetikasa “Fanajariana ny faritra iva eto Antananarivo (Produir)”, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ao anatin’izany ny fanajariana sy fanarenana ny lakandrano C3.Mila fanentanana ny mponina izany mba hahatsapan’izy ireo ny lanjan’ity tetikasa goavana ity. Koa, nisy ny hetsika diabe, nitetezana tanàna, niainga teny Ambodimita hatreny Antohomadinika, toerana andalovan’ny lakandrano C3, ny 16 febroary teo. Anisan’ny toerana nijanonana nanaovana fanentanana mivantana teny Antanjombe, Anosivavaka, Ambodivonkely ary Ankasina. Nilaza Randriamahafaly Tanjona, mponina eny Ambodivonkely, fa mety aminy ny hetsika nataon’ny “Produir”, satria tsy nisalasala nanantona nanazava ny momba ny tetikasa. Nanazava Ravololonarivo Seheno, tomponandraikitry ny sampana Tontolo iainana sy ny sosialy ao amin’ny “Produir”, teny Antanjombe Avaratra, fa zava-dehibe ho an’izy ireo ny mangarahara amin’ny asa rehetra atao.
Dingana dimy
Miisa dimy ny dingan’ny asa ataon’ny tetikasa. Voalohany, ny fananganana tanàna vaovao eny Andavamamba ho an’ny mponina marefo. Faharoa, ny famaritana ny toerana sy ny faritra hohajariana. Fahatelo, ny fananganana fotodrafitrasa eny Iarinarivo, hanangonana ny fotaka nesorina tanaty lakandrano hodiovina. Fahefatra, ny fanamafisana ny sisin-tatatra sady hanomanana ny fanalana ny fotaka. Fahadimy, ny asa tena fanalana ny fotaka ao anatin’ny lakandrano C3, miampy ny fanamafisana ny tatatra, ny fanamboarana ny lalana ho an’ ny mpandeha an-tongotra sy ny fametrahana lalana rarivato. Miisa sivy ny ampahan’asa hatao amin’ity volana febroary ity. Hitohy amin’ny 23 febroary ny diabe.
Njaka A.