VAOVAO TAMBATRA

Ankalazaina androany, etsy amin’ny Lapan’ ny Tanàna Analakely, ny Andro iraisam-pire­ne­na ho an’ny mpiseradia. Hisy ny hetsika samihafa hanamarihina izany andro manan-tantara izany. Eo koa ny faha-25 taonan’ny fikambanan’ny mpi­seradia.

Hatsangana ao Farafangana sy Vangain­drano ny orinasa ho an’ny sampandraharaha momba ny famonosana ny vokatra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, indrindra ireo voly fanondrana. Hanatsara ny kalitaom-bokatra ny fananana orinasa, hampanaraham-penitra ny fanondranana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Nodorana avokoa ireo entana milanja 1 taonina lany daty, tao Antsohihy, ho fiarovana ny mpanjifa. Tao anatin’izany ny ronono mandry, ny paty, ny biscuits, ny chips, ary ireo kojakoja momba ny tarehy. Nanatrika ny fanapotehana izany ireo tomponandraikitra samihafa ao an-toerana, ny herinandro lasa teo.

Tafatsangana ny komitin’ny jiro, ao amin’
ny fokontany Antsotsomo, kaominina Beramanja, distrikan’ Ambilobe, taorian’ny fifidianana ireo ve­hivavy efa hiofana momba ny Femme ingénieure solaire (FIS), afakomaly. Tafiditra ao anatin’ny te­tikasa fampisitrahana herinaratra ho an’ny mpo­nina mipetraka any ambanivohitra ny “Barefoot College”.

Partager sur: