Anjanahary : telo lahy nanolan-jaza nalefa eny Tsiafahy

Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy, afakomaly, ireo telo lahy nanolan-jaza teny An­janahary. Mpianatra avokoa izy telo mirahalahy ireo. Ankizivavy 16 taona io lasibatry ny filan-dratsin’izy ireo io. Nifankafantatra tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny mpanolana sy ny voaolana. Raikitra ny fihaonana voalo­hany, teny Andravoahangy. Nentin’ilay tovolahy nihazo ny tranony teny Anjanahary ilay ankizivavy tsy ampy taona.
Naolan’izy telo lahy anefa izy. Nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny. Nataon’ny fianakaviany fizahana teny anivon’ny mpitsabo ilay tovovavy. Voamarina fa bevohoka vokatr’io fanolanana nihatra ta­miny io. Nosamborina avokoa ireo telo lahy voatondro ho tompon’antoka tamin’ity fanolanana tambabe ity. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy, afakomaly, izy ireo taorian’ny fampanoavana.
Marihina, telo lahy hafa, tamin’ny toerana samihafa, koa naiditra am-ponja vokatry ny fanolanan-jaza nataon’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo.

Tsiferana R.

Partager sur: