Faritra Analamanga : nanolotra fitaovana ny Pnud

Natao omaly, tetsy Ambohidahy, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny faritra Analamanga sy ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny Pnud. Fanolorana fitaovana hiatrehana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza no nifantohan’izany. Nisy ny fanolorana motopompes, moto, borety, trano lay…
Nilaza ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, fa tonga ara-potoana ny fitaovana. « Efa anatin’ny fahavaratra isika. Maro ny toerana dibo-drano ilana ireo karazana fitaovana voaray ireo », hoy izy
Hanampy amin’ny fampiatranoana ny traboina ireo trano lay. Hitrohana ireo rano miandrona eny amin’ny faritra iva kosa ny motopompe. Efa nanatanteraka fitrohana rano tamina faritra misy rano miandrona manelingelina ny vahoaka eny ifotony rahateo ny faritra Analamanga, tamin’ireo fitaovana teo am-pelatanana. Hanampy ny fitaovana efa ananana ireto avy amin’ ny Pnud ireto.

Tatiana A

Partager sur: