Distrikan’Antanifotsy : miandrandra olona hitondra fampandrosoana

Nanao fanambarana omaly, ireo ben’ny Tanàna 12, ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Milaza izy ireo fa miandrandra olom-baovao hitondra fampandrosoana any an-toerana. Manoloana izany, hanolotra an-dRakotondrazafy Justin na i Zilikely Fanavotana ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka izy ireo. Man­gataka ny fankatoavan’ny fanjakana foibe ireo ben’ny Ta­nàna mba ho isan’ny kandidam-panjakana ny olona atolony.
Mpiara-miasa akaiky amin’ ny fampandrosoana ny tanàna eny ifotony miaraka amin’ireo ben’ny Tanàna i Zilikely. An­tony, hanohanan’ny ben’ny Tanàna azy izany mba tena hipaka any ifotony sy any amin’ ny vahoaka ny fampandro­soana.
Miandrandra olom-baovao hitondra ainga vao ho an’ny fampandrosoana ny distrikan’ Antanifotsy. Sehatra maro no mitaky fampandrosoana any an-toerana. Nilaza ny ben’ny Tanànan’Ambatomiady, Rato­lojanahary Andriamalala fa efa nanaovan’ireo fikambanan’ny ben’ny Tanàna fanadihadiana lalina ny mikasika an’i Zilikely Fanavotana. Nambarany fa mahafeno sy manaja ny rafitra ary ny fepetra rehetra nape­traky ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ity kandida ity.

Tatiana A

Partager sur: