Enin-dahy nitam-piadiana : renim-pianakaviana iray voatsatoka antsy

Naratra vokatry ny herisetra nataona jiolahy enin-dahy nanafika, nitam-piadiana, tao aminy ny renim-pianakaviana iray sy ny lehilahy iray tao Anganomasina, distrikan’ Atsimondrano, ny alin’ny alarobia 21 febroary teo. Niditra an-keriny tao an-tsena ireo jiolahy. Norobain’izy ireo avy hatrany ny vola sy ny entana fampiasa andavanandro tao amin’io tranombarotra io. Noleran’ireo tsy mataho-tody antsy ilay vehivavy vadin’ny tompon-tsena. Voadaroka koa ny olona iray hafa. Tsy nisy nisaron-tava ireo mpandroba ireo, raha ny fanazavan’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritra Andoharanofotsy. Nitondra basy ny roa lahy raha toa ka antsy no teny an-tanan’ny roa namany. Nitsoaka nandositra nianavaratra ireo jiolahy ireo taorian’ny asa ratsiny. Misokatra ny fanadihadiana. Tsy misy atahorana kosa ny ain’ilay renim-pianakaviana voatsindrona antsy.

Tsiferana R.

Partager sur: