FOLOALINDAHY : namboly zana-kazo 10 000 fototra

Zana-kazo mitotaly 10 000 fototra niampy masomboly 250 kg nambolen’ny Tafika teny Tamponketsa, distrikan’ Ankazobe, omaly. Ho fanatanterahana ny vinan’ny ­Filoham-pirenena amin’ny famerenana an’i Madaga­sikara ho Nosy maitso, nisantatra ny fotoam-pambolen-kazo ho an’ny taona 2024 ny foloalindahy. Tsy adidy fotsiny ihany amin’ny maha olom-pirenena, “fiaraha-mientana amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana izay mifantoka amin’ny fampivoarana ny toekarena, mifototra amin’ny maha olona izao fambolen-kazo izao”, hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, nandritra ny lahateniny. Anatin’ny fanamby 100 andro ho azy ireo, velaran-tany manodidina ny 500 ha hovolena zana-kazo. Hisy ny fanaraha-maso manokana ireo zana-kazo an’aliny nambolena ao Tamponketsa ireo. Niara-niasa akaiky tamin’ny foloalindahy tamin’ny fanomezana ireo zana-kazo maimaimpoana niampy ny ma­somboly ny vondrona tsy miankina “Graine de Vie”. Marihina, ankoatr’ireo Tafika nanao ny anjara adidiny, niara-nisalahy tamin’ny fanatontosana ny fambolen-kazo tany Tamponketsa, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police Rakotoarimanana Herilala.

Tsiferana R.

Partager sur: