Nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny hetsika nokasain’ny ARFM hatao eny Mahamasina, anio. Anton’izany ny tsy nahazoana alalana tamin’ny fitondram-panjakana. Mbola hifampiresaka sy hifandamina amin’izay tomponandraikitra amin’izay fanomezan-dalana hahazoana manatanteraka ny hetsika ry zareo.
Nisy ny fivoriana an-jotra, niresahina ny akony ara-barotra azon’i Madagasikara, amin’ny fisian’ny Zone libre-echange continentale africaine (ZLECAF), nokarakarain’ny Programme de soutien à l’investissement et au commerce en Afrique (SITA). Rafaravavitafika Rasata, minisitry ny Raharaham-bahiny no nandray anjara tamin’izany.
Nisy ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona malagasy, ny Jly Ravalomanana Richard, sy ny masoivohon’i Madagasikara ao Frantsa, Rajohnson Rija, nandritra ny fandalovan’ ny Filohan’ny sénat tao Frantsa. Noresahina, nandritra izany, ny fanatsarana ny fiaraha-miasan’ny antenimierandoholona malagasy sy frantsay. Eo ihany koa ny fiahiana ireo diaspora ao Frantsa.
Hatsangana ny sampana fandrindrana, fanaraha-maso ary fanohanana ireo tetikasa iharan’ny fakana an-keriny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany. Manoloana ireo sakantsakana izay mampandefitra ny fanatanterahana ireo tetikasa ho an’ny daholobe no hanaovana izany. Ity sampana ity no hiandraikitra ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta.