Taorian’ny fiofanana asa amin’ny web: tanora 200 niatrika fifantenana mivantana

Hisitraka asa sahaza azy ireo tanora nanaraka fiofanana maimaimpoana nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika.

Taorian’ny fiofanana maimaimpoana nampanaovin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa momba ny asa amin’ny web, ny volana janoary lasa teo, niroso tamin’ ny fandraisana mpiasa mivantana ny orinasa fito, omaly, teny Ampefiloha, foiben-toe­ran’ny minisitera. Tanora 200 voaofana niatrika ny fifante­nana sy nitafa mivantana
tamin’ny tomponandraikitry ny orinasa. Efa nitondra antontan-taratasy mahakasika azy avy izy ireo. 50 ny mpiasa noraisin’ny orinasa mifototra amin’ny fitantanana fifandraisana amin’ny mpanjifa mikirakira ny internet (télétravail) ny taon-dasa. Hiezaka handray mihoatra izay izy ireo amin’ity taona ity. “Nahafa-po sy namaly ny filana avokoa ireo tanora nitafa satria nahafeno ny fepetra takina: fifehezana ny teny frantsay, fahavononana hanao télétravail”, hoy ny tomponandraikitry ny orinasa, Razaka­ritsalama Noranto.
Tafiditra tao anatin’ny zavatra niofanana avokoa ny nanontanian’ny tomponandraikitra nitafa ka manantena
i Oliva fa ho voaray amin’ny asa. Mety amin’ny vinany ho amin’ny hoaviny ny asa amin’ ny web ka vonona izy hifototra amin’izay. Mora ahitana tolotrasa ny tontolon’ny web, tsara ary manana ny hoaviny, araka ny heviny.
Hiitatra any amin’ny faritra hafa ny fanofanana momba ny asa amin’ny web amin’ny orinasa manao ny « métiers du web » : Toamasina, Toliara, Fia­narantsoa, Antsirabe.

Vonjy

Partager sur: