Fanarenana ny fitaterana anahabakabaka: ho avy ny fiaramanidina vaovao, Embraer 190, E2

Natao teny Iavoloha, omaly ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny orinasam-pitaterana an’habakabaka, Azzora. Nanatrika izany teny an-toerana ny filoha Rajoelina Andry ary nametraka fanamby ny hanarenana ny Madagascar Airlines.

Tsy ho ela intsony ny fiaramanidina vaovao. Ni­voitra tamin’ny lahateny ny fahavonanan’ny fanjakana hametraka amin’ny toerany ny fitaterana an’habakabaka miaraka amin’ny kaompania-pitaterana Madagascar Airlines (Air Madagascar teo aloha) . Nambaran’ny filoha tamin’izany fa manana ireo rehetra ahafahana mampiroborobo ny fizahantany isika ka tsy maintsy havotana io kaompaniantsika io. “Mi­te­raka ny hambo-pirenena iza­ny… Mila mametraka ny fitsipika vaovao koa anefa isika hanarenana ny Madagascar Airlines io”, hoy izy. Notsia­hiviny fa nanana ny toerany izany Air Madagascar izany, fony fitondran’ny filoha Tsiranana. Tonga amin’izao zava-misy izao anefa isika noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny trosabe misavovona, ny taona 2019. Antony nanaovana izao sonia fiaraha-miasa izao izany ho fanarenana indray ity kaompania ity ka nahazoana fiaramanidina vaovao. Natao hanatevenana ny fitaterana an’habakabaka eto amintsika sy hivezivezena.
“Tsy maintsy atao ny ezaka rehetra hanavotana ny Madagascar Airlines… Nie­zaka koa isika ka tafiditra laharana fahasivy amin’ireo firenena mahasarika mpizahantany raha mbola aorinantsika ny any Roanda, Kame­ronina, Benin, Senegal, Alze­ria…”, hoy ny filoha.

Alavirina ny fisaratsarahana
Natsidiny sahady koa fa tafiditra ao anatin’ny Planina enti-mampandroso (PEM) ny fanorenana trano fandraisam-bahiny miisa 15 hanatevenana ireo efa misy, amin’izao fotoana izao. Nohitsiny fa tsy tokony hampizarazara izao fanarenana hatao izao. “Halavirina ny olana mitondra ho any amin’ny fisaratsarahana”, hoy izy. Na tsy nivantana aza, ny ady mangatsiaka eo amin’ny minisitra Ranjatoelina Rolland sy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Rakotomanga Rinah no tian’ny filoha ambara.
Nanteriny fa tia fanamby ny tenany ka nampanantena fa hiaraka ny rehetra hametraka amin’ny toerany sy ny lazan’izany Air Madagascar izany, miaraka amin’ny fitantana vaovao. Nohamafisin’ny minisitry ny Fitaterana, Ranjatoelina Rolland kosa fa hitondra fiovana eo amin’ny fitaterana an’habakabaka eto amintsika ny fahatongavan’izany fiaramanidina izany.
Tsiahivina fa hampitohy ny zotra anatiny, Nosy Be sy Antananarivo, Antsiranana, Toliary izany fiaramanidina Embraer 190, E2 izany. Eo koa ny zotra mihazo an’i La Reuinon sy i Afrika Atsimo ary koa hatrany Dubai… Ho avy afaka efa-bolana izany fiaramanidina izany raha tsy misy ny fiovana.

Synèse R.

Partager sur: