TARATRY ny KANTO

“Sehatry ny mpanoratra”, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ao amin’ny Efitrano Dox, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ilay “Tafatafa mivantana”, iarahana amin’i Andry Elrà, mpanoratra nosafidin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ampahafantarina amin’ity volana ity. Hanotrona azy amin’izany i Hobiana.

Hifarana rahampitso ny fampirantiana, fankalazana ny faha-50 taona nanaovan’i Edouard Rajaona hosodoka. Hetsika notanterahina nanomboka ny 10 febroary 2024 teo, teny amin’ny AFT Andavamamba. Anisan’ny andrarezin’ny hosodoko malagasy izy ary nandritra ity hetsika ity no nampirantiana ny haikantony maneho ny maha izy azy.

Efa tonga ao Mumbai, Inde, ireo mpandray anjaran’ny Miss World, rehefa nahavita ny fifaninanana tany New Delhi. Ao Mumbai, araka izany, no hanohizana ny fifaninanana mandritra ny 2 herinandro. Mbola maro ny fifaninanana hatrehin’ny mpandray anjara, ary mbola tena ao anatin’izany Rajoelina Antsaly, solontenantsika.

Voafidy ho mpanolotsainan’ny Réseau Africain des Manifestations Littéraires (Ramali) i Michèle Rakotoson, Malagasy mpanoratra. Tsiahivina fa miatrika ny hetsika «Rentrée littéraire de Mali» izy amin’izao fotoana izao, hetsika mamondrona mpanoratra maro samy manana ny maha izy azy.

Partager sur: