INDRAY MIJERY

Tontosa ny sabotsy teo ny fivoriam-paritry ny mpikambana Nifin’Akanga. Nandinihina ny hetsika sy tetikasa notanterahina teo aloha sy nandrafetana ireo tetikasa hoavy ny fihaonana. Taratra teo koa ny fanamafisana ny fanoloran-tenan’ny mpikambana ho an’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Natao koa ny fifidianana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny biraon’ ny sampana isam-paritra.
Ho famakafakana ny olana sedrain’ny mpianatra sy famolavolana ny drafi-piofanana, niatrika ny “Analyse causale d’enseignement et d’apprentissage de chaque région” ireo mpanolotsaim-pampianarana avy amin’ny Cisco fito mandrafitra ny Dren Sofia, ny herinandro teo. Niainga tamin’ny tombana mahakasika ny lentam-pahaizan’ny mpianatra sy ny tantsoroka an-tsekoly natao tamin’ireo mpampianatra izany.
Natao ny atrikasa fanao isan-taona momba ny famolavolana ny antontanisa eo amin’ny fanabeazana. Miisa 8 ireo Dren hanatanterahina izany : Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Boeny ary Analanjirofo. Ireo no nosafidian’ny UNICEF hanatontosana izany.
Nitsidika ny Top of Point na ny toerana fiain­gan’ireo drone mpamatsy fanafody any ambanivohitra tao Maroantsetra ny filoha lefitry ny Antenimi­e­ran­do­ho­lo­na niaraka tamin’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fa­ha­sa­la­mam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Tetikasan’ny USAID-impact ary tanterahin’ny PSI Madagascar ny famatsiana fanafody amin’ny alalan’ny drone.

Partager sur: