“Handrotsaka kandidà izahay amin’ny fifidianana depiote, ary efa eo am-panomanana izany fa tsy hoe mijoro manohy ny tolona fotsiny”, hoy ny filohan’ny ARB, Raobelina Andry. Ahitana ny ARB, ny MTS, ny MMM, ny FMI Malagasy, ny Firaisankinan’ ny tia tanindrazana, tao amin’ny vondron’ny kandidà tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izy ireo. Eo ny tolona amin’ny fanadiovana tokotanim-pifidianana, fa atrehina koa ny fifidianana. Na voafidy amin’ny Kôlekitifa an’ny Malagasy na voafidy amin’ny vovonana Firaisankina na voafidy amin’ny hafa: mety rehefa any amin’ny fanoherana, hahazoana ny maro anisa eny anivon’ny Antenimiera. Amin’ny anaran’ny Kôlekitifa an’ny Malagasy ny kandidà hatolotra, ary miara-manohana kandidà amin’izany.
“Momba ny fiaraha-mitantana izahay”, hoy izy ny amin’ny fisintahan’ny vovonana Firaisankina. Miara-manapa-kevitra ka ny hevitry ny maro anisa no tanterahina. Tamin’ny mbola niaraka ry zareo, tsy nety an’izany ny sasany fa nametraka hoe filoha mitondra ny vondrona. Tsy mety amin’ny Kôlekitifa an’ny Malagasy ny didiko fe lehibe.
R. Nd.