Fifidianana depiote : efa maka bahana Razanamahasoa Christine

Efa fampisehoan-kery hiatrehana ny fifidianana depiote? Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tamin’ny vahoakan’ Ambatofinandrahana ny filo­han’ny Antenimierampire­nena, Razanamahasoa Christine mivady, ny herinandro teo. Vory marobe ireo vahoaka no­tarihin’ireo ben’ny Tanàna miisa 9, miaraka amin’ny filohany, i Hajarilala Volo­lomboa­hangy, ben’ny Tanàn’ Ambon­dromisotra. Eo koa ireo sefo fokontany miisa 21 ary ireo fikambanana samihafa eo anivon’ny distrika. “Matoky sy ma­nantena ary manohana anao hatrany izahay… Mi­andran­dra anao koa”, hoy ny solontenan’izy ireo. Nankasi­traka izany fanomezan-toky izany Razana­mahasoa Christine.
Nialoha izany, notanterahina ny faran’ny herinandro teo koa ny fambolen-kazon’ny distrika Ambatofinandrahana tao Bodana. Miisa 12 000 fototra izany ary ahitana karazany maro.
Efa fanao tao anatin’ny 10 taona

Nitarika izany tahaka ny efa fanao tao anatin’ny 10 taona ny filohan’ny Anteni­miera, Razanamahasoa Christine. “Tsy maintsy harahi-maso sy karakaraina ny hazo nambolentsika”, hoy izy. Nitondra ny anjara birikiny tamin’izany ireo solontenam-panjakana rehetra any an-toerana.
Maherin’ny 5 000 ireo va­hoaka nanoina ny antso raha mpianatra kosa ny 800. Nandray anjara tamin’izany koa ny fikambanana Mandre­sy sy Fitiavana ka nankasitrahana manokana izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: