Hotanterahina any Ghana, ny 8-24 marsa ho avy izao ny lalao Afrikanina, “Jeux Africain”. Ho an’ny taranja atletisma, miisa efatra ireo atleta ho any an-toerana. Ireo mpilalao efatra mirahavavy no hameno ny lisitra nataon’ny minisiteran’ny Fanatanjahatena sy ny tanora. Tsy ao anaty lisitra ny mpanazatran’izy ireo.
Voahosotra ho tompondakan’ny fifaninanana “Foot Orange Urban U13” ny ekipan’ny 67 City FC. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’ny H plus, ny alahady lasa teo, teny Andranobevava. Tsara ny mampahafantatra fa miisa 16 ireo klioba nandray anjara tamin’ity fifaninanana ho an’ny kilonga ity.
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fitiliana ireo Malagasy mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Makis de Madagascar, U-20. Misy ny fepetra notakin’ny Malagasy Rugby amin’izany. Anisan’izany ny halavana sy ny
lanjan’ny mpilalao fa indrindra ny taona.
Hotontosaina manomboka anio, ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro amin’izany ny fifanandrinan’ny Bayern Munchen Allemagne sy ny Lazio Italie. Lalao hatao ao amin’ny Allianz Arena, Allemagne.