Nodimandry Raindé. Mpitendry amponga maroanaka, efa nanaraka tarika maro toa an-dry Mima, Rossy, toto Mwandjani. Tojo tsy fahasalamana efa fotoana ela Raindé. Nisy fahasarotana izany, ka nanao antso tolo-tanana ho fanampiana azy ny fianakaviana sy ireo namany. Tsy nahatosika ny aretina anefa ity mpanakanto ity ka nitarika ny fahafatesany izany.
Mitohy ny dingana amin’ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Efa nisy ny dingana maro nataon’ny minisitra teo aloha. Nanohy izany ny minisitra Andriamamananoro Augustin ka nandray an’i Arnaud Guillois, masoivoho frantsay, nifandinika ny dingana manaraka. Ny volana marsa izao ny fivoriana voalohany iarahan’ireo Malagasy sy frantsay teknisianina, raha ny fanazavana.
Kaonseritra orga. Hotanterahina ny 10 marsa izao, amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny FJKM Ambohitrarahaba, ny isan-taonan’ny fikambanan’ny mpankafy sy mpitendry orga. Seho nampitondraina ny lohateny « Diamangan’ny orga diamondra ». Mpitendry orga maro no hifandimby haneho ny hakanton’ny feon’ny orga diamondra, amin’io fotoana io.
Tanterahina anio, eny amin’ny Aft Andavamamba, ny “Raconte moi une histoire”. Fitantarana angano iarahana amin-dRakemba Raketamavo. Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika. Tanjona ny hamerenana ny hasina sy ny lanjan’ny angano, eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy fitaizana.