Mbola tsy afaka am-bavan’ny rehetra ilay vonoan’olona feno habibiana nitranga tao Vatomandry. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fikarohana ady heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena Atsinanana, ny kaomisera Rajaobelina Herizo, taorian’ny fampidirana am-ponja ireo telo lahy namono nahafaty ilay renim-pianakaviana tao amin’ny fokontany Bemasoandro, ny alin’ny 4 febroary 2024 teo, tsy hijanona ny raharaha fa mitohy hatrany ny fanadihadiana. Halaina any am-ponja indray i Jasmin voarohirohy ho isan’ny tompon’antoka tamin’ny nahafaty ireo mpiray tampo aminy izay efa maty teo aloha. Nohamafisin’ny kaomisera, Rajaobelina, hatrany fa anisan’ny faly ny fokonolona ao Vatomandry nandritra ny fisamborana ireto nahavanon-doza ireto. Efa nikasa hanao fitsaram-bahoaka azy ireo ny fokonolona tao an-toerana. Nisy mihitsy ireo nilaza fa izy ireo avokoa no tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ireo mpiray lova aminy, afa-tsy ilay anabaviny mipetraka any Mahanoro efa mandova ny fananan-drain’izy ireo any Mahanoro. Ny ao Vatomandry kosa ifampizaran’izy dimy mianadahy. Efa maty avokoa anefany ny telo ka izao namono ny fahefatra izao ity anadahiny ity ka izy irery sisa velona amin’ireo mpiray lova ao Vatomandry. Ny zanak’ireo telo maty teo aloha koa efa misy roa hafa maty. Nohamafisin’ny fiarahamonina nandritra ny fanadihadiana natao tany an-toerana fa mihazona odiratsy ity raim-pianakaviana voarohirohy ity. Tsy nihambahamba izy fa niaiky fa izy tokoa no atidoha nikotrika izao vonoan’olona feno habibiana izao. Hanokafana famotorana hafa indray, araka izany, ireo tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Hiampy indray ny antontan-taratasin’ady hanenjehan’ny fitsarana ireto nahavanon-doza ireto.
Sajo/J.C