Demokrasia : mila amboarina ny fitsipi-dalao

“Mila amboarina ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia eto Madagasikara. Tsy mety raha izao rafitra voageja izao no hanaovana fifidianana, fa lasa haingon-tsehatra ary hampiasain’ny fitondrana fotsiny ny tena: tsy mahazo ny maro anisa”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny Teza, Rako­toamboa Jean-Louis, momba ny fiatrehana fifidianana depiote amin’ny 29 mey. Havory eny amin’ny Ante­nimieram­pirenena ny tena, nefa tsy hisy inona azo hatao. Raha mirotsa-kofidina ny tena ka mahazo maro anisa ny fitondrana dia hilaza fa tena mamim-bahoaka ka aleo handeha amin’izao ny firenena. Aleo ho hita eo ny fandehan’ny raharaha toy izay hiditra ao ny tena nefa tsy hahazo ny maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena: lasa haingon-tsehatra fotsiny.
“Andeha hatao hoe mahazo ny maro anisa ny mpanohitra, nefa voalazan’ny Lalàmpanorenana koa ny hoe: azon’ny filohan’ny Repoblika ajanona ny asan’ny Antenimieram­pirenana”, hoy izy. Vao miasa roa na telo volana dia ravany ny Antenimierampirenena, dia hanao fifidianana vaovao. Ho lany vola aman-karena eo izay mirotsa-kofidina amin’ny anto-bola 20 tapitrisa Ar. Raha tsy miova ka tsy hanao fanorenana ifotony, tsy handray anjara amin’ny fifidianana ny Teza fa tsy te ho haingon-tsehatra.

R. Nd.

Partager sur: