Kitapombolam-panjakana : nampiditra 16 miliara Ar ny makamba

Tsara ny vokatra. Tafakatra hatrany amin’ny 16 miliara Ar ny tamberim-bidy azo avy amin’ny makamba nandritra ny taona 2023 raha toa ka 3 miliara Ar izany ny taona 2020. Nisy ny fanavaozana ireo paikady hampitomboina ny vokatra izay napetraky ny minisitera nanomboka ny taona 2021. Anisan’izany ny fanaraha-maso ny isan’ireo sambo sy ny fanatsarana ny fitantanana ny fari-panjonoana. Ankoatra izay, natsaraina ny tamberim-bidy sy ny fandraisan’anjaran’ireo orinasa vaventy mpitrandraka makamba amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fanampiana ny mpanjono madinika. Miondrana avokoa ny 90% ny makamba eto amintsika, izany hoe, manodidina ny 3 600 t isan-taona ireo vokatra alefa any amin’ny tsena ivelany. Amidy eto an-toerana kosa ny ambiny. Tsiahivina fa nisokatra nanomboka omaly ny taom-panjonoana makamba ao Mahajanga raha nikatona hatramin’ny 01 desambra 2023 teo. Taorian’io, nomena herinandro hanambarana ny tahiry ananany teny anivon’ny tomponandraikitra ireo mpiantsehatra samihafa.
Ankoatra ireo makamba, misy ireo trondro hafa voajono miaraka aminy izay manodidina ny 12 500 t. Hamidy eny amin’ny trano fivarotana trondro ato anatiny ireo vokatra ireo.

Henintsoa H.

Partager sur: