Tsipy kanetibe : hahazo 2 tapitrisa Ar izay tompondaka

Hotanterahina, anio sy rahampitso, eny Tanjombato, ny fifaninanana ho fanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe, sokajy lahy sy vavy. Raha ho an’ny lehilahy, hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay voahosotra ho tompondaka amin’izany. Homena 500 000 Ar kosa izay tompondaka amin’ny “doublette” sokajy vehivavy. Ankoatra izay, misy ihany koa ny lalao ho an’ireo sokajy zandriny “junior” sy zokiny “vétérans”. Tsara marihina fa aorian’ity fifanintsanana ity, hisy fifaninanana nasionaly efatra hotontosaina amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hatao any Antsirabe, ny 5,6 ary ny 7 avrily ho avy izao.
Hatao ny 3 -5 mey ny fifanintsanam-pirenena ho an’ny sokajy olon-tokana “tête à tête”. Hiatrika ny lalao ho an’olon-droa “doublettes” kosa ireo mpilalaon’ny taranja tsipy kanetibe, ny 28-30 jona. Any amin’ny volana septambra kosa no hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny olona telo miaraka na “triplettes”. Marihina fa tsy mbola vaofaritra ny toerana hanaovana ireo lalao telo ireo.

Fitia Randria

Partager sur: