Ambohijanaka: Jiolahy telo maty voatifitry ny zandary

Lavon’ny zandary ny telo tamin’ireo jiolahy nikasa hanafika tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny sabotsy alina teo. Nahitana fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo…

Maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ambohija­naka ny telo tamin’ireo jiolahy nikononkonona hanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitr’Ambohijanaka, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Nanao fisafoana toy ny fanaony ny zandary ka nifanehatra tamina andian-jiolahy somary kaodikaody sy hafahafa fihetsika tamin’io alina io, araka ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy. Niroso tamin’ny fisavana azy ireo ny zandary saingy tsy nanaiky izany ry zalahy. Nire­fotra avy hatrany ny basy teny am-pelatanan’ireo jiolahy. Raikitra teo ny fifanjevoana tao anaty haizina. Nifamalina ny tifitra ka tao anatin’izany no nahavoatifitra ireo jiolahy telo. Tafaporitsaka kosa ireo namany. Nambaran’ny tatitra avy amin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy hatrany fa basy poleta miaraka amin’ny tranom-bala efa mifahana avy nipoaka sy bala roa no hita tany amin’izy ireo. Nahitana antsy, lefona, jiro fanao am-paosy, hety marani-doha sy zava-maranitra hafa koa teo amin’ny manodidina ny fatin’ireo jiolahy. Nogiazan’ ny zandary avy hatrany ireo fitaovam-piadiana tratra ireo. Nisy ny fifanomezan-tanana tamin’ny fametrahana sakana teny amin’ny lalana mety handalovan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nilaza ho tsy mahafantatra ireto jiolahy ireto ny mponina eny amin’ny manodidina. Nanamarina izany rahateo koa ny sefo fokontany nandritra ny fifampiresahana tamin’ny zandary. Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny zandary satria ahina ho misy ifandraisany amin’ilay raharaha fanafihana teny Anganoma­sina sy Tsila­zaina ry zalahy ireto, raha ny fampitam-baovao nomen’ny eo anivon’ny zandarimaria hatrany.

J.C

Partager sur: