Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo raindahiny iray tao Mavozaza, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 2 marsa teo. Nanao fisafoana ny Andrimasom-pokonolona sy ny zandary ka nifanehatra tamin’ny dahalo dimy lahy. Nitondra zava-maranitra ireo olon-dratsy ka raikitra ny fifandonana. Nikiry hanohitra ireo mpanao fisafoana alina izy dimy lahy. Vokany, nirefotra ny basy. Lavo ny iray tamin’ireo dahalo. Lebotay, dahalo raindahiny ary mpampihorohoro tao Marovoay ity maty voatifitra ity. Efa nisazy tao amin’ny fonjan’i Marofoto io olon-dratsy io saingy nanohy hatrany ny asa ratsiny. Namoahan’ny zandarimaria taratasy fikarohana sy fisamborana i Lebotay noho ny resaka halatra omby, ny fiantombohan’ny volana marsa teo.
Tsiferana R.