Antanimena: Jiolahy tratra nanendaka tao anaty taxi-be

Noraisim-potsiny! No­sam­borin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) teny Antanimena, ny sabotsy atoandro, ny jiolahy iray. Avy nanendaka renim-pianakaviana iray tao anaty taxi-be ity farany tamin’io fotoana io ka lasa tamin’izany ny vola mitentina 2 tapitrisa Ar. Lasa nitsoaka avy hatrany anefa ity olon-dratsy ity rehefa na­ha­zo ny vola tany amin’ilay lasibatra. Raikitra ny fifanenjehana taorian’izay. Nifano­me tanana rahateo ny olona nahita izany teny amin’ny manodidina an’Antanimena. Naparitak’ity jiolahy ity teny amin’ny arabe ny ampahany tamin’ireo vola mba hahavariana ny olona. Tsy nahataitra ny olona anefa izany. Nanohy ny fanenjehana azy kosa ny polisy ka niafara tamin’ny fahatrarana azy. Hatolotra ny fampanoavana, anio, aorian’ny famotorana azy ity mpanendaka ity.

J.C

Partager sur: