Sombim-baovao

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fampiofanana nataon’ny Maître Tantely, tempana mainty, 4eme Dan, taranja Judo. Fiofanana natokana ho an’ny klioba, mpitsara, mpianatra ho mpitsara, izay mbola hitohy ny 8 marsa izao, eny Faravohitra.

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny ANS (Académie nationale du sport) Ampefiloha, ny fampiofanana ireo Malagasy atleta mifandraika amin’ny “dopage” na fanafody mampatanjaka amin’ny fanatanjahantena. Fiofanana notarihin’ny Tale jeneralin’ny fanatanjahantena, Rakoto­zafy Rosa.

Nizotra araka ny tokony ho izy, teny amin’
ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karaté kumite sy kata. Ny sokajy “enfants”, 8 taona hatramin’ny 14 taona, sy ny sokajy vehivavy no nifaninana nandritra ny 3 andro.

Partager sur: