Nahitana fatin-dehilahy iray tao Itaosy, omaly atoandro. Simba tanteraka ny vatany ary tsy nisy namantarana azy intsony.
Fatin-dehilahy iray tsy nisy tongotra havia, hitan’ny fokonolona teo an-tokotanim-pasana tao Andrambato, kaominina Itaosy, omaly. Olona nandalo no naheno fofona hafahafa. Niezaka namantatra ny zava-nisy izy. “Nahita lalitra nitangorona io olona io ka nijery kinanjo fatin’olona”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy. Nampandre avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany ny nahita ny razana.
Niantso tomponandraikitra mahefa ireto farany. Tapaka ny tongony havia. Tsy nisy tanana intsony koa io lehilahy io. Niala avokoa ny nofon-tarehiny havia. «Potika tanteraka ny vatany», hoy ny zandarimaria nanao ny fanadihadiana. Fanahy iniana notapahana ny tanany roa. Nozahan’ny mpitsabo ny razana.
Novonoina tany an-kafa…
Efa maty tany amin’ny toeran-kafa io lehilahy manodidina ny 35 na 45 taona io ka nariana teo amin’io toerana voalaza io, araka ny fitiliana nataon’ny mpitsabo ny razana. “Ahina ho nisy nanary tamin’ny alahady misasakalina ny fatiny”, raha ny fanamafisan’ny loharanom-baovao. Mbola teny an-koditr’io lehilahy io avokoa ny fitafiany. Noviravirain’ny alika ny vatany ka nitarika ny fahapotehany. Niezaka namantatra io olona maty io ireo manodidina sy ny mpitandro filaminana saingy nanaosarotra izany noho ny tsy fahafantarana ny endriny intsony. Nandray an-tanana ny fikarakarana ny razana ny kaominina ao an-toerana.
Tsiferana R.