Imerintsiatosika : Karohina ilay lehilahy nanolan-jaza

Hifampitadiavana ny lehilahy nanolan-jaza tao Meri­mandroso, Imerintsiatosika, ny alahady 3 marsa teo. Namoahan’ny mpitandro filaminana taratasy fikarohana ilay nahavanon-doza. Nirahin’ io tsy mataho-tody io nividy sigara ilay zazavavy tamin’io andro io. Nanatitra ny sigara tao an-tranon’ilay lehilahy, niharan’ny fanolanana ilay zaza vao 6 taona monja. Naratra mafy izy ary simba tanteraka. Manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly HJRA. Nanao antso avo ny mpitandro filaminana mba hitolo-batana io lehilahy io. “Tsy maintsy ho tratra ianao na ho aiza na ho aiza”, hoy ny talen’ny fikarohana ny fandikan-dalàna (DPJ) eo anivon’ ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Mamelison Mbina Nonos.

Tsiferana R.

Partager sur: