Ny filoha Rajoelina Andry mihitsy no nandray ireo fitaovana entina hadiovana ny tanànan’Antananarivo, omaly. Fanampiana avy amin’ny Japoney izany.
Tontosa omaly ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fitaovana entina hanatsarana ny fifehezana ny fako eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny tetikasa “Gesda”. Fanomezana avy amin’ny Japoney, amin’ny alalan’ny “Agence japonaise de coopération internationale” (JICA) izy ity. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra sy ny minisitera voakasik’izany. Tanjona ny hahafahana mifehy ny fako eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara.
Nandritra ny fanolorana, ahitana kamiao “multi-benne” miisa 32, kamiao ampiasaina amin’ny fanangonana sy fitaterana fako miisa 6, kamiao ampiasaina amin’ny fanatobiana fako roa, fiara mpitrongy iray, « excavateur » iray, fanariam-pako vita amin’ny vy miisa 189, fiara tsy mataho-dalana roa, moto valo ary fitaovana fanamboarana fiara iray. Ny volana septambra 2024 kosa no ho tonga ny fanampin’ireo fitaovana ireo. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, hanampy avo telo heny ny fahafahana mandraoka ny fako sy manatitra izany any amin’ny toerana tokony hisy azy izao fanampiana izao.
Lin