Famindram-pitantanana : horaisin’ny PDS, anio, ny fitantanana ny CUA

Efa vita, omaly, ny famindram-pitantanan-draharaha. Nialohavan’ny fananganan-tsaina voalohany tetsy anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, notarihin’ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS) an’Antana­narivo, Ramanambintana Ri­chard, izany. Tonga nanotrona io fotoana io ny ben’ny Tànana teo aloha, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina. Fanama­fisana ny maha eo hatrany, mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra azy sy ny efa nitantanany ny Renivohitra izao fifanotronana eo amin’ny roa tonta izao. Hotanterahina anio rahateo, etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny famindram-pahefana ofisialy eo amin’ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ny PDS vaovao. Fotoana io hamariparitany ireo laharam-pahamehana sy ny asa maika ary ny ho fanohizana ny asa efa natomboky ny mpitantana teo aloha. “Aleo hambarako ao­riana kely ny asa hotanterahina hampandrosoana an’An­tana­narivo Renivohitra”, hoy ny PDS, ny zoma teo, taorian’ny nahavoatendry azy ho amin’izany toerana izany.
Tsiahivina fa mbola hotendrena amin’ny fotoana aoriana, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Ati­tany ireo mpiasam-panjakana roa, ho lefitry ny PDS eto anivon’ny CUA.

Synèse R.

Partager sur: