TARATRY ny KANTO

Hiresaka ny vehivavy anaty tantara foronina i Mose Njo. Anisan’ireny ny tantara noraketiny anatin’ilay boky “Lisy Mianjoria”. Hatao ny sabotsy 9 marsa izao manomboka amin’ny 8 ora sy sasany, eny amin’ny Sambalia Antsahavola. Fotoana iresahana mivantana amin’ny mpanoratra koa io, ho an’ireo izay efa namaky ilay boky. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy ny hetsika.
Tarika Kiaka etsy amin’ny Karibotel Analakely. Fotoana efa nampanantenain-dry zalahy ireo mpankafy azy ity. Amin’ny sabotsy 9 marsa, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, noho ny fangatahan’ny maro mba tsy ho alina loatra. Fotoana hihaonan’ny tarika amin’ireo mpanaraka azy, mialoha ny fampisehoana goavana izay tsy maintsy hisy amin’ity taona ity.
Tanterahina ny 6 – 9 marsa 2024, eny amin’ny Zaridainan’Antaninarenina, ny andiany faha-18 amin’ny “Kanton’i Gasikara, manandratra ny vita malagasy”. Hetsika natao hampirantiana sy hivarotana ny asa tanana sy haikanto ary ny vita malagasy izy ity. Mampiavaka ity andiany ity ny fanomezana lanja manokana ny vehivavy amin’ny vokatra hita ao.
Mbola maro amin’ireo mpanoratra boky no tsy mahafantatra ny antsoina hoe: “rohim-boky”. Anisan’ny mitarika azy ireo hanonta sy hamoaka ny boky nosoratany izany, raha ny fanadihadiana nataon’ny editora misy eto an-toerana. Vokatr’io tsy fahalalana io, mpanoratra maro no mihevitra fa mampisondro-bidy ny boky ny fanarahana ny rohim-boky ka sao tsy hisy hanjifa ny bokin’izy ireo.

Partager sur: