Ambatofinandrahana: Olona iray tratra nangalatra vy

Miisa dimy ny olona voarohirohy tamin’ny halatra vy tao Ambatofinandrahana, faritra Amorin’i Mania, tamin’ny volana febroary teo. Nitoby tao amin’ny toeran’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) any an-toerana, ireo vy ireo, izay tokony hampiasaina amin’ ny fandrafetana tetezana. Na­metraka fitoriana tany amin’ny zandarimaria Ambatofindran­drahana ny DRTP, ny 22 fe­broary, ary niakatra teny amin’ ny Fampanoavana ao Ambo­sitra, ny 2 marsa. Notazonina vonjimaika am-ponja ny iray tamin’ireo olona dimy voarohirohy, miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Sokajiana ho heloka bevava ny fanimbana sy ny fangalarana fotodrafitrasam-panjakana toy izao, izay fananana iombonana. Migadra dimy hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina ho an’ireo tratra manao izany.
Tsiahivina fa nisy olona sivy ihany koa, naiditra vonjimaika am-ponja tamin’ireo 15 voarohirohy tamin’ny halatra vy tany amin’ny tetezana iray any Fisoronana Faratsiho, faritra Vakinankaratra. Nahazo fahafahana vonjimaika ny telo tamin’izy ireo. Ny alin’ny 25 fe­broary no nahatraran’ny kaomisera sy ny sampana Asa vaventy tany Faratsiho ireto olona ireto.
Manentana ny mponina hatrany ny tomponandraiki-panjakana hitoroka na hampilaza azy ireo raha mahita tranga fanimbana fotodrafitrasa ho an’ny daholobe toy izao.

Njaka A.

Partager sur: