VAOVAO TAMBATRA

Miisa 300 ny salotra vonjy aina nozaraina tamin’ ny mpanjono, avy amin’ny fokontany efatra any Itampolo, distrika Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana, ny herinandro lasa teo. Avy amin’ny Fikambanana iraisam-pire­nena ara-tsakafo (FAO) ireo fitaovana ireo, ary efa nisy koa kojakoja hafa efa nozaraina, toy ny harato, arotava ary tady.

Nisokatra omaly ny fiofanana momba ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny sambo (FSI). Fiofanana iarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM) amin’ny alalan’ny APMF sy ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny zotra an-dranomasina (OMI). Anisan’ny ifantohana ny lalàna iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana, toy ny Solas, ny Marpol, ny Colreg ary ny STCW.

Hihaona amin’ny mpandraharaha ny Foibem-pitantanana ny hetra (DGI), rahampitso 6 marsa. Voa­kasik’izany ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany, andaniny, ary ny mpitantana orinasa vaventy, ankilany. Anisan’ny horesahina ny lalàna sy ny fepetra vaovao mahakasika ny hetra, ho an’ny taona 2024.

Partager sur: