Mitentina 88 000 000 euros ny famatsiam-bola omen’ny Ivontoerana frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) hanatanterahina ireo tetikasa telo lehibe eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny tetikasa “PADEVE II” izay sahan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Hahakasika ny tanàn’ Antsirabe, Fianarantsoa, Toliara, Mahajanga, Antsiranana ary Toamasina. Mitentina
49 000 000 euros kosa ny fanatanterahana izany. Tetikasa faharoa misitraka ny famatsiam-bola ny “Talaky Be” izay hiompana amin’ny fanatsarana ny famokarana amin’ ny lafiny fambolena sy ny fiarovana ny tontolo ianana. Atao any amin’ny faritra Anosy sy Androy ny tetikasa ka hamatsy vola 14 000 000 euros amin’ izany ny Vondrona Eoropeanina. Tetikasa fahatelo anisan’ ireo mahazo famatsiam-bola ny “PPRM” izay hanatsarana ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Sofia, ho fiarovana ny sahandriaka sy ny fanajariana lemaka, mba hampitombo ny voka-bary any amin’ireo faritra ireo. Mitentina 225 000 000 euros ny famatsiam-bola ka avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny 200 000 000 euros raha toa ka avy amin’ny AFD kosa ny 25 000 000 euros.
Henintsoa H.