Madagasikara-Torkia: maherin’ny 200 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra

Nahomby ny fiaraha-miasa. Mitentina hatrany amin’ny 202 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy Torkia nandritra ny taona 2023, raha toa ka 102 tapitrisa dolara izany ny taona 2022. Manodidina 11,168 tapitrisa dolara teo ireo vokatra malagasy naondrana any an-toerana, ny taona 2020. Mitentina 10,725 tapitrisa do­lara kosa izany ny taona 2022, raha tafakatra hatrany amin’ny 121,671 tapitrisa dolara tamin’ ny taon-dasa, hoy ny loharanom-baovao iray. Ankoatra izay, manodidina ny 80,799 tapitrisa dolara ireo vokatra nafaran’i Madagasikara avy any Torkia, ny taona 2023, raha mitentina 100,173 tapitrisa dolara izany ny taona 2022 ary 79,511 tapitrisa dolara ny taona 2020. Anisan’ireo vokatra nafarana ny fanafody, ny kojakoja fampiasa an-tokatrano, ny sakafo andavanandro… Niompana betsaka tamin’ny vokatry ny fambolena kosa ireo naondran’i Madagasikara tany an-toerana. Ao koa ireo harena an-kibon’ny tany, ny lamba… Mbola hiara-hiasa i Madagasikara sy i Torkia amin’ ny fampiroboroboana ny sehatry ny varotra sy ny fandra­harahana, ny fanamboaran-dalana sy ny fananganana fotodrafitrasa. Toy izay koa ny sehatry ny fizahantany sy ny fanaganana fotodrafitrasa mi­fandraika amin’izany. Voare­saka ihany koa ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny lafiny fambolena, ny jono, ny fiarovam-pirenena sy ara-
tafika.

Henintsoa H.

Partager sur: