SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka omaly ny lalaon’ olon-tokana, lahy sy vavy, amin’ny taranja tenisy am­bony latabatra, ho an’ny “Jeux Africain”. Nihintsana teo amin’ny dingana faha-64 ry Fabio, lehilahy, sy i Fitia, vehi­vavy. Tsara marihina fa mbola misy ny lalao « double » sy « par équipe » hataon’izy ireo.

Hotanterahina manomboka anio, any Lomé Togo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy zandriny U14. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ izany i Madagasikara. Hifarana ny 9 marsa ho avy izao ity fifaninanana ity. Ny 5-10 aogositra ho avy izao kosa no hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny alahady lasa teo, ny fifaninanana rejionaly ao Vakinankaratra. Miisa 12 ireo mpandray anjara ao amin’ny diviziona voalohany, lehilahy, raha toa ka enina ny an’ny sokajy vehivavy. Tonga nanotrona ity hetsika ity ny filohan’ny kaomision’ny fifaninanana eo anivon’ny FMF, Ratovohery Solonirina.

Hotanterahina anio ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Cham­pions 2024”. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Bayern Munchen, Allemagne sy ny Lazio, Italie ary ny Paris Saint Germain, Frantsa sy ny Real Sociedad, Espagne.

Partager sur: