Tsy matahotra ny manindrona antsy sy vy maranitra ny lasibatra ireo vehivavy anatin’ny “bande de 10”. Sady manendaka, mamono olona, no manafika mitam-piadiana izy ireo
Manao ny ataony koa ny vehivavy! Miseholany indray ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ao amin’ny kaominina Toamasina II tato ho ato. Maro ireo niharan’ny herisetra sy maratra vokatry ny asan-jiolahy. Fantatra fa tambajotran-jiolahy mahery setra antsoina hoe « bande des 10 » ireto mampihorohoro ao an-toerana ireto, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny faritra Atsinanana, ny Lietnà-Kly Ratsimanindry Andriatsara Harisitraka. Nambaran’ity manamboninahitra ity fa mandravarava ao amin’ny fokontany Belambo, Betainomby, Antanandava hatrany Tsarahonenana ireto enina mianadahy ireto. Tsy mitsitsy amin’ny famonoana olona sy fandratrana avy amin’ny tsatoka antsy sy vy maranitra ry zalahy ireto, raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana hatrany. Niainga avy amin’ny fitoriana nataon’ireo niharan’ny herisetra no niaingan’ny angom-baovao sy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary. Jiolahy roa (Alexandre sy Christian) efa nikasa hitsoaka, nisakana fiara teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, no tratran’ny zandary. Nitohy ny fisamborana ka tafakatra enina mianadahy izy ireo. Mitohy kosa ny fikarohana ireo jiolahy efatra tafaporitsaka. Mampalaza azy ireo ny vaky trano, halatra akoho amam-borona ary tsy mifidy mihitsy ireto jiolahy ireto.
Sajo/J.C