Rotiky ny balan’ny zandary tao Brieville Tsaratanana, ny sabotsy alina teo, ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe i Dofa na Fongitiky.
Dahalo malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny miharo vonoan’olona ity dahalo ity. Anisan’reo tompon’antoka tamin’ny fandoroana olona 32 tao Ankazobe izy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, anisan’ireo mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina Brieville sy Andriamena hatrany Ambakireny, distrikan’i Tsaratanana, faritra Betsiboka i Fongitiky, kanjo izao lavon’ny zandary izao. Nikasa hitsoaka izy ny sabotsy alina, nandritra ny fotoana nitondran’ny zandary azy. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Betsiboka, andian-dahalo ireto mpaka an-keriny ireto. Nasaina nanondro ny toerana nanafenany ireo olona enina nalaina an-keriny ity jiolahy ity. Toerana telo samihafa no nitondran’io dahalo io ireo zandary nitondra azy. Nasaina nanondro ny toerana misy ireo nanafenany ireo olona izy kanjo teny an-dalana niverina ho any amin’ny kaominina Brieville, nitsoaka avy hatrany izy. Tao amin’ny Kijanan’i Beandrarezina, fokontany Antsampandrano, kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanana, no voatifitra izy rehefa tsy nanaiky hijanona. Maty tsy tra-drano i Fongitiky. Voalaza fa anisan’ireo mpaka an-keriny sy nifandray tendro tamin’ireo mpaka an-keriny tao Ambatondrazaka i Dofa. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Ankazobe. Nandoro tanàna sy nahafaty olona 32. Nanaovana filazana sy hazalambo izy. Tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tao Miakadaza Anjozorobe ihany koa .
J.C