Firaisankina: hanao izay hahazoany fandresena

“Miarahaba manokana an’ireo voafidy tao anatin’ny maro mitondra ny fanevan’ny Fi­raisankina amin’izao fifidianana solombavambahoaka ho avy izao”, hoy ny filoha mpanorina ny antoko Tiako i Ma­dagasikar (Tim) eo anivon’ny vondrona Firaisankina, teny Faravohitra, omaly, tamin’ny fampahafantarana ny andiany voalohany amin’ireo kandidà solombavambahoaka atolotry ny Tim amin’ny anaran’ny vondrona antoko politika Firaisan­kina. Lehibe ny fanantenana napetraky ny vahoaka ma­lagasy amin’ireo mpirotsa-kofidina ireo ho fanarenana ny firenena, araka ny hafany tamin’izy ireo. Mafy loatra ny fahoriana mahazo ny mpiray tanindrazana. “Tena efa potika ny firenena noho ny fitantana tsy mahomby misy ankehitriny”, hoy izy.
Tsy maintsy manao izay azo atao ireo kandidà mba hahazoan’ny vondrona Fi­raisankina fandresena amin’izany fifidianana izany. Noho izany, be dia be ny andraikitra sy adidy miandry ny mpirotsa-kofidina ho solombavambahoaka. Lehibe ihany koa ny adidy miandry ny antoko Tim, indrindra lehibe ny adidy mi­andry ny vondrona firaisankina amin’izao fifidianana ho avy izao. “Tsy main­tsy manao izay azo atao rehetra isika mba hahazoana mandresy”, hoy ihany izy. Anja­ran’ireo mpirotsa-kofidina ny mifanaraka sy miombona amin’ireo mpiara-dia eo anivon’ny vondrona Firaisankina. Satria izay no maha Firaisankina ny Firaisankina. 18 ireo kandidà naroson’ny Tim amin’izao andiany voalohany izao, ary misy amin’ireo no efa solombavambahoaka amin’izao fotoana izao.

R. Nd.

Partager sur: