TARATRY ny KANTO

Tafiditra anaty «Top 40» i Antsaly Rajoelina, nandritra ny «Miss Monde 2023». Tsy azo lazaina ho ratsy ny vokatra, amin’ny fifaninanana avo lenta iraisam-pirenena toa itony. 112 mantsy ireo tovovavy mpifaninana, izay samy niomana fatratra daholo, hisolontena ny fireneny. Tsy nitsanga-menatra ny «Miss Madagasikara», ary naharesy lahatra ny mpitsara ny lohahevitra nosafidiany hotohanana.
Andrasana any Manandriana Avaradrano ny nofo mangatsiakan’i Mikakely bassiste. Nanafatra ireo akaiky azy izy fony fahavelony, fa mozika be no holalaovina amin’ny fiandrasana azy, ka hotanterahan’ireo namany mpanakanto izany. Rahampitso kosa no halevina eny an-toerana ihany, rehefa avy entina ao amin’ ny EKAR Md Alexandre Ambatofotsy.
Rahampitso vao hisokatra ny Rovan’i Madagasikara. Nikatona ho an’ny besinimaro, noho ny fandraisana ny lanonana roa sosona nanamarihina ny Taom-baovao malagasy, ny alahady sy ny alatsinainy teo. Efa fotoam-pikatonana isan-kerinandro kosa ny talata, hanaovana ny fanadiovana sy ny fikoloana.
Any Antsirabe sy Tsiroanomandidy indray no hanohizana ny hetsika «Run Mada», niarahana ta­min’i Faragasy, Aurélie Lauret, Eat My Butterfly – EMB ary Na Hassi, taorian’ny teny amin’ny AFT An­da­va­mamba, ny faran’ny herinandro teo. Hetsika ara-javakanto maroloko ny “Run Mada”, ahitana Slam, fikosehina kapila, fitendrena zavamaneno…

Partager sur: