FEPA andiany faha-16: Ainga vao ho an’ny fiompiana eto amintsika

Hotanterahina ny 25 ka hatramin’ny 28 avrily, eny amin’ny Malagasy professionnel de l’élévage (MPE) Nanisana ny Tsenaben’ ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (FEPA), andiany faha-16. Ho hita eny an-toerana, mandritra ireo efatr’andro ireo, ny vokatra rehetra azo sy afaka entina hanatsarana ny fiompiana. Hisongadina manokana ireo toeram-pivarotana sy mpikirakira sakafom-biby, ny fanafody ary ireo mpivarotra ny fitaovana ilaina amin’ny fiompiana. Tanjona, araka izany, ny hitondra fampandrosoana sy ainga vao eo amin’ny sehatry ny fiompiana eto Madagasi­kara. Misa 130 ireo tranoheva handray anjara amin’ny hetsika. Araka izany, hisy ny fampirantiana ireo biby velona miavaka, toy ny bitro vaventy sy ny akoho lehibe ary ireo karazana trondro sy ny maro hafa. Haneho ny fahaiza-manaony, mandritra io fotoana io, ireo mpanao asa tanana isan-karazany. Hiavaka ny hetsika “FEPA” andiany faha-16, hisy ny famelabelarana arahina adihevitra ataon’ireo mpandraharaha amin’ny sehatra maro izay hitondrana tohana ho an’ireo mpiompy sy ny mpanjifa hamantarana ny zava-misy eo amin’ny lalam-pihariana ka hitondrana vahaolana maharitra momba izany. Maherin’ny 22 000 ireo mpitsidika andrasana ho avy mandritra io hetsika io.

Henintsoa H.

Partager sur: